Sosialy

Ampitatafika Nisy razana efa simba natsingevan` ny rano omaly


  • Zoma 27 Martsa 2020

Nihorohoro tanteraka ny olona nahita, omaly. Razana iray no hita teny amin` ny reniranon` Sisaony tetsy Ampitatafika, tokony tamin` ny 3 ora tolakandro. Lehilahy iray,

 

 

 

 efa simba vatana, nahitàna dian-dratra ary koa nivonto ny lohany. Ny zandary no nidina an-tsehatra teny an-toerana nanao ny fijerena ifotony mba hahafahan’izy ireo manao tatitra an-taratasy ary koa ny fanokafana fanadihadiana. Tonga naka ny razana moa ny mpamonjy voina. Mbola eo amin’ny tombana avokoa aloha izany hatreto ny amin’ny antony nitarika ny fahafatesan’ ity olona ity. Maty an-drano nandritra ny fiampitàna rano ve? Nisy namono dia natsipy tao ve ? Namono tena ve ? Ireo rehetra ireo rahateo dia efa nisy avokoa tamin’ny tantaran’ny reniranon’ Sisaony. Andrasana izay ho vokatry ny fanadihadiana.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT