Sosialy

AMPITATAFIKA Fianakaviana miisa 1000 nozaraina sakafo masaka


  • Alakamisy 23 Aprily 2020

Fianakaviana miisa 1000 omaly no nozaraina sakafo masaka teny amin’ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

 

 

 

 

 Avy amina Fokontany miisa telo izy ireo dia ny Fokontany Ampitatafika vaovao, Atsimombohitra ary Avaratetezana. Vary sy laoka masaka no natolotra azy ireo tamin’izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny Fikambanana Lions Club Antananarivo Iarivo ary ny communauté Borah izay efa mpiara-miasa amin’izy ireo. Ankoatra ny fizarana sakafo dia nomena aro tava avokoa ireo olona 1000 ireo. Nasaina nanasa tanana tamin’ny savony ihany koa izy ireo teo am-pidirana ho fiarovana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus. Nambaran’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina nandritra izany fa zava-dehibe ho an’ny kaominina Ampitatafika ny fitsinjovana ireo vahoaka ao aminy ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana tahaka izao. Anio ohatra dia hisy indray ny tsena mora izay hotanterahin’izy ireo eny amin’ny kianjan’ny solombavambahoaka ka ny tanjona dia mba samy hisitraka izany avokoa ny rehetra mandrapivahan’ny olana nateraky ny COVID 19 amin’ny isan-tokantrano. Tsiahivina moa fa anisan’ny angady nanana izao fizarana izao ihany koa ny solombavambahoakan’Antananarivo Atsimondrano Alain Ratsimbazafy izay tonga nanatrika ny fizarana mihitsy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT