Sosialy

Ampitatafika Avadika ho biogaz handrahoana sakafo ny diky


  • Alakamisy 12 Novambra 2020

Olana ho an’ny kaominina maro eto amintsika amin’izao ny tsy fahampian’ny foto-drafitrasam-pahadiovana sy fidiovana. Lohalaharana amin’ireny ny trano fivoahana izay saika tsy hananan’ ny ankamaroan’ny mponina.

 

 

 

Ho an’ireo Fokontany sasany ao Ampitatafika toy ny ao Avaratetezana ohatra dia nambaran’ny Renim-pianakaviana iray monina ao fa any anaty tata-drano na eny amoron’ny ranon’i Sisaony izy ireo no manary maloto isan’andro. Vokatry ny tsy fananana tany hanorenana trano fivoahana no anton’izany na misy ihany fa efa feno ka tsy azo hampiasaina intsony. Toraka izany koa ny ao amin’ny Fokontany Ampitatafika vaovao miazo an’Antsahadinta iny, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina. Midofaka mihitsy ny fofona amin’ny fotoanan’ny hafanana tahaka izao ka sady manimba tontolo iainana no misy fiantrakany amin’ny fahasalaman’ny mponina ihany koa. Mba hahafahana misoroka izany ary dia novelomina indray rehefa nikatona nandritra ny fotoana vitsy ilay toerana fanodinana maloto manara-penitra natsangana ao Avaratetezana. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina amin’ny ONG Gret no angady nananana sy vy nahitana izany. Azo taterina ao amin’ity ivon-toerana ity avokoa ny maloto rehetra ho an’ireo tokantrano manana ny toeram-pivoahana efa feno. Ireo dimy lahy nomena fiofanana hiasa eo anivon’ny kaominina no hanatanteraka ny asa amin’izany. Havadika ho lasa biogaz azo handrahoan-kanina na koa rano madio azo averina hampiasaina indray ireo diky rehetra voaangona izay marihina fa tsy ahiana hanelingelina ny manodidina ny fofona haterany. Omaly no nampahafantarina tamim-pomba ôfisialy ny fiverenan’ity ivon-toerana ity miasa indray. Izay tokantrano 10 voalohany misoratra anarana hanao izany moa dia hiantohan’ny kaominina iray manontolo ny vola lany raha 50 % kosa izany ho an’ireo 10 faharoa tonga.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT