Sosialy

Ampitatafika 50 isam-pokontany no hahazo ny sosialim-bahoaka


  • Alarobia 12 Aogositra 2020

Olona 50 isam-pokontany ihany no fantatra fa hahazo ilay fanampiana sosialim-bahoaka mampimenomenona ny maro ho an’ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Io no tatitra farany azon’ny delege ao an-toerana raha araka ny fanazavan-dRandrianarivony Jocelyn,

 

 

lefitra voalohan’ny Ben’ny tanana ao an-toerana ka miisa 650 isa araka izany ireo hisitraka izany manerana ny Fokontany 13. Ny olana anefa hoy hatrany ity lefitry ny Ben’ny tanana ity dia ny hanazavana izany amin’ny vahoaka, indrindra taorian’ny nandrenesan’ny rehetra ny tenin’ny Filoham-pirenena teny Bemasoandro Itaosy izay nilaza fa hahazo sosialim-bahoaka avokoa ny rehetra, eny fa na dia ireo tsy manana karnem-pokontany aza. Noraisina haingana ny fepetra araka izany ho an’ity kaominina ity mba tsy hisian’ny korontana sy ny fifanomezan-tsiny ka nisy ny fivoriana izay niarahana tamin’ireo sefom-pokontany miisa 13 sy ny delege afak’omaly. Ankoatra izay dia efa nandray fepetra ihany koa ny kaominina fa hiara-kiasa amin’ny mpitandro ny filaminana avy any Fenoarivo mandritra ny fizarana hisorohana ny korontana mety hitranga. Nomarihin’ity lefitry ny Ben’ny tanana ity moa fa ny ministera no tena tompon’antoka amin’ny vatsy Tsinjo sy ny sosialim-bahoaka saingy na izany aza mbola tsy tonga any amin’izy ireo ny fanisana. Ny Association seconde chance sy ny FID kosa no mandray an-tanana ny resaka Tosika Fameno ka olona miisa 3373 hatreto no efa nahazo izany. Tsy misy idiran’ny kaominina sy ny Fokontany araka izany hoy hatrany ity lefitry ny Ben’ny tanana ity ny resaka fanampiana fa ny fandrindrana sy ny fandaminana izany no andraikitr’izy ireo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT