Sosialy

Ampefiloha Mpanampy an-trano 3 mianadahy nitondra zaza nitsoaka


  • Alarobia 25 Aogositra 2021

Mpiasa an-trano 3 mianadahy iraitampo no indray tsy hita popoka nanomboka omaly maraina. Voalaza fa nangalatra tao an-trano teny amin’ny olona niasany teny Ampefiloha,

 izy ireo no sady nitondra zazavavy kely nandositra, zanaky ny havan'ilay mpampiasa azy izay vao 4 taona monja. Efa herintaona niasana tao amin’ity tokantrano ny iray tamin’izy ireo. Nahatoky azy ny mpampiasa vokatr’izany ary nanaiky ny hiakaran'ireo iraitampo aminy eto an-drenivohitra hanampy amin'ny asa an-trano hataony . Ankoatra ilay zaza tsy manan-tsiny dia nitsoaka niaraka tamin’ny solosaina, "tablette" sy ny maro hafa izy ireo. Efa nampandrenesina moa ny mpitandro ny filaminana raha araka ny fantatra. Arahi-maso ihany koa ny fiavian’izy ireo any Antsirabe.
Nangonin’ i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT