AMPEFILOHA AMBODIRANO

Tafakatra 246 ireo traboina natoby amin’ny toerana manokana


  • Alakamisy 22 Febroary 2024

Betsaka ireo traboina vokatry ny fiakaran’ny ranobe nateraky ny rotsak’orana

teto an-drenivohitra. Ho an’ny etsy Ampefiloha Ambodirano manokana ohatra dia efa mahatratra 246 ireo traboina natoby amin’ny toerana manokana ka zaza amam-behivavy ny ankamaroan’izy ireo. Nahatsiaro ho manana adidy manoloana izany ny fikambanana Manjaka Vintana Beton Arme omaly ka tonga nidina ifotony teny an-toerana no sady nanolotra fanomezana. Nitarika ireo mpikambana tamin’izany ny filoham-boninahiny Victoria Sabbatine izay nanamafy fa miezaka hatrany izy ireo manohana ny mpiara-belona araka izay tratra indrindra amin’izao voin-kava-mahatratra izao. Tafiditra tao anatin’izany Razafiarisoa Patricia izay mpikambana ao amin’izy ireo may trano tamin’ny 14 Febroary lasa teo kanefa tera-bao ihany koa fotoana fohy taorian’izay. Ankoatra ny kojakoja fampiasan’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro toy ny sceau sy ny koveta moa dia notolorana lovia sy sotro ihany koa izy ireo hohampiasainy mandritra ny fotoana hipetrahany ao amin’io toerana voatokana ho an’ny traboina io. Nisy ihany koa ny fanolorana kilalao ho an’ireo ankizy mba hahafahan’izy ireo mivelatra sy miaina toy ny ankizy rehetra na dia tsy any an-tokantranony toy ny mahazatra aza izy ireo.
Pati
Legende : Nandritra ny fizarana ny fanampiana nataon’ny filoham-boninahitry ny fikambanana Manjaka Vintana Beton Arme !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT