Sosialy

AMPASIKA Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ilay lehilahy namono zazavavy kely


  • Alarobia 04 Martsa 2020

Lehilahy 28 taona no voasambotry ny polisin'Itaosy sy ny BC3 ny alahady 1 martsa teo tokony ho tamin'ny 8ora sy 30mn alina teny Ampasika rehefa namono ny zana-badiny vavy kely iray.

 

 

 Raha tsiahivina, nisy disadisa teo amin’ilay lehilahy sy ny vadiny tamin’io andro io. Araka ny feo azon’ilay lehilahy mantsy dia mampirafy azy ny vadiny. Efa nanan-janaka 5 taona  moa ilay ramatoa vao niaraka izy ireo. Voakasi-tanana ilay vehivavy ka nandositra nivoaka ny trano sady niantso vonjy. Navelany tao ilay zanany ka io no niharan’ny hatezeran’ilay lehilahy. Noho ny  vono nahazo ilay zaza dia sy tana ny ainy. Henon’ny fokonolana ilay antso vonjin’ilay vehivavy ka tamy ny fokonona ary nirifatra nandositra ilay nahavanon-doza. Vao naheno ny antso ny polisy ao Itaosy dia nidina teny an-toerana avy hatrany. Nifanenjehan’ny olona ka tratran’ireto fokonolona teny an-tanimbary. Efa saika tratran’ny fitsaram-bahoaka ity lehilahy ity raha tsy tonga haingana ny polisy nisambotra azy. Nohadihadiana teny anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava ny tenany ary nalaina am-bavany, omaly.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT