Sosialy

AMPASIKA Mitaraina ho tsy mahita asa intsony ireo mpanasa lamba


  • Talata 08 Novambra 2022

Efa ho roa volana mahery izao no tsy nahita asa fivelomana intsony ireo mpanasa lamba etsy amin’ny ranon’Ikopa mandalo etsy Ampasika sy Anosizato.

Manodidina ny 1000 mahery anefa ny isan’izy ireo miaraka amin’ny mpanao biriky izay marihina fa mamelom-bady aman-janaka avokoa. Vokatry ny asa fanajariana hatao amin’iny fefiloha iny no anton’izany hisorohana ny mety ho fihotsahan’ny tany tampoka mandritra ny fotoam-pahavaratra. Nisy araka izany ny fanonerana nomena azy ireo izay fantatra ihany koa fa indray mandeha ihany, niarahana tamin’ny Produir. Manodidina ny 900 mahery eo ho eo ireo efa nahazo ny anjarany raha mbola mihoatra ny 100 kosa ireo voalaza fa mbola tsy nahazo izany. Nambaran’ny Renim-pianakaviana iray mivelona amin’io asa io ary fa tokony hisy mihitsy ny fanampiana maharitra omena azy ireo. Efa tsy mandeha firy intsony mantsy koa mantsy ity asa ity amin’izao noho ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano. Aleon’ireo olona manasa tsikelikely isan-kariva toy izay handoa vola amin’ny mpanasa lamba izay mahatratra 5.000 Ar isan-kerinandro raha kely raha vantany vao mitoby ny lamba maloto. Ny tena mampanahy amin’ny sehatra tahaka itony moa dia ahiana hanaotao foana avokoa ny ankamaroan’ireo olona tsy an’asa ka tokony hojeren’ny Fitondram-panjakana akaiky. Tsara rahateo raha fintana hanjonoana trondro no omena ny olona iray fa tsy trondro avy hatrany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT