Sosialy

Ampasampito Zaza roa volana narian-dreniny


  • Alarobia 22 Mey 2019

Zaza menavava iray manodidina ny roa volana omaly maraina no narian-dreniny teny amin’ny toby fiantsonan’ny taksibe teny Ampasampito.

 Raha ny fantatra, mody nijorojoro toy ny niandry olona teny amin’ny toby fiantsonana ny renin’ity zaza ity izay manodidina ny 30 taona eo ho eo.  Rehefa nahita olona  iray anefa izy dia nomeny io olona  io ilay zaza mba hotazoniny vetivety. Nilaza ny hamonjy toeram-pivoahana izy fa poritra mafy kinanjo tsy niverina intsony. Very hevitra  ilay olona nametrahany ilay zaza  ka nampandre avy hatrany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny teny an-toerana.  Efa tonga tonga nijery ny mpitandro ny filaminana, raha ny fantatra hatrany.  Marihina  fa ny tribonaly hatrany amin’ny ankapobeny no manapaka ny toerana hametrahana ireny zaza nariana ireny na  kamboty, aorian’ny fanadihadiana ataon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona. Vao haingana no nisy tranga tahaka izao teto an-drenivohitra nandritra ilay hetsika notanterahin’ny Fjkm tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT