Sosialy

AMPANGABE - ORINASA MPANDRENDRIKA VY Tratra nampiasa zaza tsy ampy taona


  • Talata 15 Oktobra 2019

Orinasa iray mpandrendrika vy eny Ampangabe eny no fantatra fa tratra nampiasa zaza tsy ampy taona, ankizy izay mbola tokony hianatra sy hovelomin-dray aman-dreniny.

 

 

 

 Nandritra ny fidinana ifotony nataon'ireo tompon'andraikitra momba ny asa teny an-toerana no nahafantarana izany  ankoatra ireo mpiasa maro hita  voalaza fa tsy misy CNAPS, sy fiarovana ara-pahasalamana, izay zo fototra tokony hananan’ny mpiasa tsirairay. Tsiahivina moa fa mbola ity orinasa iray ity ihany koa no mampitaraina fatratra ireo mponina eny an-toerana noho ny loto havoakany. Efa nisy ireo olona narary tamin’izany, hoy ny vaovao saingy tsy mbola nandrenesam-peo hatreto ny sampandraharaha misahana izany eto amintsika. Andrasana izay mety ho tohin’ny fanaraha-maso hataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.

 

Nangonin’i Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT