AMPANDRIANOMBY

Tapa-bolana tsy nahazo rano, nitokona ny vahoaka


  • Alarobia 22 Novambra 2023

Leo ny fahatapahan-drano lava iainany ireo mponina eny Ampandrianomby.

Raha araka ny fitarainan’izy ireo mantsy dia efa ho tapa-bolana izao tsy nahazo sy nisitraka rano fisotro madio intsony izy ireo. Na ny rano handrahoan-kanina aza tsy misy intsony raha efa hiafiafiana any amin’ny vovo ny rano hanasan-damba sy hidiovana. Nitokona ary nanakan-dalana niaraka tamin'ny bidon miloko mavo izy ireo noho izany omaly hariva nanomboka tamin’ny 05 ora teo ho eo. Nitohy tamin’ny fandoroana kodiarana izany izay tena niredareda tokoa. Raha araka ny fitarainan’ireo mponina hatrany moa dia efa nampandre ireo tompon'andraikitra eo anivon’ny JIRAMA izy ireo saingy nandamoka hatrany izany. Mandeha tsara ny bizina rano noho izany indrindra fa ho an'ireo manana fiara. Olona maromaro hatreto no fantatra fa efa mivelona amin’izany. Mitondra rano avy any ivelany ireto farany ary manafika eny an-toerana ka mivarotra ny iray bidon miloko mavo ho 1.000 hatramin'ny 5.000 Ar. Misy mamoaka vola hatramin’ny 10.000 Ar araka izany ny tokantrano iray mba hividianan-drano hidiovana sy hosotroina.
Pati
Legende : Nandritra ny fitokonana notanterahin’ny mponina teny Ampandrianomby omaly !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT