Nivoaka tamin'ny alarobia atoandron'ny 28 mey 2020 ny lisitr'ireo anaran'olona hisitraka ny Tosika Fameno ao amin'ny fokontanin'Ampahimanga Ambohimanambola Antananarivo Avaradrano.
Niteraka fimenomenomana be tamin'ny vahoaka tsy nahita ny anarany tao anatin'izany lisitra izany ny fahitana azy io satria dia olona niisa 114 tamin'ireo 309 nisoratra anarana nanaovana fanadihadiana ihany no tao anatin'io lisitra io izay tsy ahitana ny fitomboky ny FID tahaka ny any amin'ny fokontany hafa efa nisitraka an'ity fanampiana ity fa fitomboky ny kaominina sady tsy misy soniana tompon'andraikitra akory io navoaka io. Mangataka ny lisitra ofisialy navoakan'ny FID misy ny anaran'ireo izay tokony hisitraka an'io fanampiana io araka izany ireto ampahana vahoaka sahirana ao amin'ny fokontanin'Ampahimanga Ambohimanambola ireto izay tafavory vao maraina (7 ora) nanoloana ny biraom-pokontanin'ity toerana ity omaly alakamisy 29 mey. Marihana fa anisan'ny tena tsy tantin'ireto olona tsy tao anaty lisitra ireto ny fahitana anaran'olona manana foto-pivelomana avo dia avo (manana trano mihofa, fivarotana lehibe eny manana hatramin'ny fiara Sprinter miasa isan'andro mihitsy aza) tao anaty lisitra .Marihana fa amin'ny sabotsy 30 mey 2020 izao no fotoana hizarana an'ity Tosika Fameno ity ao amin'ity fokontanin'Ampahimanga Ambohimanambola ity. Rehefa nantonona mivantana kosa ny filoham-pokontany ao an-toerana, Rtoa Randrianarivony Veromanitra, niara-nivory tamin'ireo komity loharano ao amin'ity fokontany ity omaly maraina dia nanambara fa tsy misy idiran'ny fokontany sy ny loharano ao aminy ny fanadihadina natao hahazoana an'ity Tosika Fameno ity fa anjaran'ny FID tanteraka no nanao izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.