Sosialy

Ampahateza Ambohipo Nampisavorovoro ny rano niloko manga


  • Alarobia 28 Desambra 2022

Rehefa natao ny fitsirihana tao amin’ny tranon’ny mpanakanto Mamibe, hoy ny fanazavana avy eo anivon’ny orinasa

Jiro sy rano malagasy na JIRAMA omaly manoloana ny fanelezan’ity mpanakanto ity fa miloko mangamanga ny ranon’ny JIRAMA eny amin-drizareo eny Ampahateza Ambohipo, dia tahaka izao ny zava-nitranga, trano lehibe iray misy rihana miisa 3 no misy azy ka izy no aty amin’ny farany ambany. Mampiasa irony fitaovana fanadiovana lavapiringa izay alefa ao anaty « chasse d’eau » antsoina hoe « bloc chasse d’eau » na « eau bleu » irony ny tokantrano ao amin’ny rihana voalohany amin’ny ilany havanana. Rehefa natao ny fitsirihana ny fantsona rehetra ampiasain’izy ireo dia hita fa tsy manaraka ny fenitra izany. Ny rano ao anatin’io « chasse d’eau » io avy eo no miverina any anaty fantsona ary mahatonga ny rano ho lasa mangamanga. Na izany aza dia nanao fitsirihana ny fahadiovan’ny rano tamin’ny manodidina rehetra ireo teknisianin’ny laboratoaran'ny Jirama ka madio tsara ary tsy misy loko no sady tsy misy atahorana ny rano ampiasain’ny olona rehetra. Misy ny didim-panjakana na “décret” 2003-941 mamaritra ny fanaraha-maso ny rano. Ao amin'io ny kalitaon’ny rano fisotro madio. Amin'ny ankapobeny dia faritana amin'ny kalitao "physico-chimique" sy kalitao "bacteriologique" ny fahadiovan'ny rano. Ny rano vokarin'ny JIRAMA dia manaraka tanteraka ny fenitra voalazan'io “décret” io miala eny amin'ny tobim-pamokarana ary efa nasiana ny singa “chlore” ao anatiny mba ho voahaja hatrany amin'ny kaonteran' ny mpanjifa. Raha misy tranga mampiahiahy mahakasika ny kalitaon'ny rano dia entanina isika mpanjifa mba hampandre avy hatrany ny JIRAMA amin'ny alalan'ny 3547 mba hisorohana ny fikorontanan'ny saim-bahoaka sy ny fanohintohinana ny filaminana ihany koa amin’ny fizarana horonantsary any anaty tambazotran- tserasera. Entanina ihany koa isika mba hanara-maso tsara ny fametrahana na "installation" an'ny fantsona ao an-tokantranontsika mba tsy hidiran'ny singa ivelany ka hanova ny kalitaon'ny rano, hoy hatrany ny teo anivon’ny JIRAMA. Nampisavorovoro ny maro tokoa moa ity rano niloko manga ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT