Sosialy

Amoron’i Mania Hohatsaraina ny seha-pihariana tantely


  • Alarobia 28 Desambra 2022

Folo andro taorian’ny nitsanganan’ny PLATMIAM (Plateforme Miel Amoron’i Mania) dia nikaon-doha nijery izay

hanatsarana ny sata fototra, ny famolavolana ny fitsipika anatiny, ny momba ny teti-bola hiasana ho amin’ny taona 2023 ny birao mpitantana izany. Tao amin’ny tranoben'ny tantsaha Ambohimiadana Ambositra izy ireo no nifamotoana ny 22 sy 23 desambra teo. Nisolo tena ny DRICC tao amin’ny PLATMIAM moa ny lehiben'ny sampandraharahan'ny varotra izay misahana ny vaomieran’ny tsena sy ny varotra. Nanomezan’ny Minisitra Edgard Razafindravahy toromarika ny mpiara-miasa aminy, nandritra ny fivoriana notarihiny tamin’ny alatsinainy 26 desambra teo ny mba hijerena akaiky sy hanaovana ny ezaka rehetra hametrahana ny seha-pihariana tantely amin’ny toerana mendrika azy. Sady azo hanatsarana ny fivelomana ny tantely hoy izy no vokatra azo trandrahana tsara hampiavaka antsika Malagasy ihany koa.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT