Sosialy

AMORONANKONA AMBOHIMANAMBOLA Ho vita tsy ho ela ilay toby famokaran-drano fisotro madio


  • Alarobia 18 Septambra 2019

Na dia nihemotra kely aza fa tsy vita tamin’ny 10 septambra lasa teo ny asa fanamboarana tobim-pamokarana sy fanadiovan-drano eny Amoronankona,

 

 

 

Ambohimanambola dia fantatra fa ho vita tsy ho ela izany.  Noho ny fahataran’ireo paompy lehibe miisa efatra nohafarana tany ivelany entina hanamboarana ny fotodrafitrasa no nampihemotra kely ny asa, hoy ny minisitry ny rano Atoa Vonjy Andriamanga. Vao tamin’ny sabotsy lasa teo no nigadona teto an-tanindrazana tamin’ny alalan’ny fiaramanidina ireo paompy efatra lehibe ireo. Tonga nitsidika ny asa fanamboarana teny an-toerana ny minisitra ny fiandohan’ny herinandro teo. Tsiahivina fa rano mahatratra 100m3 isan’ora no  hovokarin’ity toby iray ity.  Atoby  ao amin'ny fitehirizan-drano ao Ambohimahitsy ny rano azo,  hamatsy ny faritra atsinanan’Antananarivo toa an’Ambohimangakely, Ambohimahitsy, Ambatomaro, Tsarahonenana, hatrany Ambohibe Ilafy. Tanjona ny hanalana fahasahiranana ny isan-tokantrano amin’ny resaka famatsiana rano fisotro madio. Mikasika ny fanendrena ny tale jeneralin’ny JIRAMA vaovao indray dia nambaran’ny minisitra fa afaka roa volana no hotanterahina izany, izay tsy hatao maimaika satria ilana olona be traikefa sy mahavita ny asa  takiana aminy.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT