Sosialy

Ambovombe Androy Maro ireo vehivavy tsy an’asa iharan’ny herisetra


  • Alakamisy 08 Jona 2023

Mbola marobe ireo vehivavy tsy an’asa ao Ambovombe Androy amin’izao.

Miteraka 4 na 5 isan’olona anefa izy ireny hany ka lasa manaotao foana mampihatra herisetra amin’izy ireny ny vady andefimandriny. Marobe ireo tsy manome vola vady aman-janaka intsony. Misy indray ireo manome saingy arahina latsa sy vava izany izay tonga hatrany amin’ny famonoana mihitsy. Manoloana izany dia nomen’ny Ministeran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy fiofanana momba ny asa fanjairana akanjo izy ireo na ny coupe et couture. Tamin’ny alalan’ilay tetikasa Mionjo no nanatanterahana izany ka vehivavy miisa 25 no nahazo tombontsoa. Notolorana “machine à coudre" na milina fanjairana izy ireo taorian’ny fiofanana hoentiny manarina ny fiainany amin’ny andavanandro.Tsy ho vesatry ny fiaraha-monina intsony araka izany ireto vehivavy ireto no sady hisy lanjany amin’ireo vady andefimandriny ihany koa ao anatin’ny tokantranony. Ilaina hatrany moa raha tsiahivina ny fifanampian’ny lahy sy ny vavy ao anatin’ny tokantrano hisorohana ireo karazana olana mety hitranga toy ny fikasihan-tanana, ny fanaovana teny mandratra.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ilay milina fanjairana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT