Ambovombe Androy

Havadika ho ranomamy


  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

ny ranomasina hamatsiana ny mponina

Faritra milevin-drano ny Faritra Androy iny. Maro ihany izay tetik'asa natao tamin'iny Faritra iny hamatsiana rano ny mponina toy nametrakana ny AES, ny fitarihan-drano amin'ny alalan'ny fantsona lehibe avy any amin'ny Distrika hafa ankoatra ny lavadrano saingy tsy mbola mivaha tanteraka ny olana, ny filàna rahateo mitombo. Manana vina ny fitondrana Fanavaozana ny Repoblika tarihin'i Kolonely Michaël Randrianirina ho fanatsarana ny fahazoan'ny vahoaka rano fisotro madio. Misy ny tetikasa famadihana ny ranomasina ho ranomamy izay hamatsiana rano fisotro madio ny tanànan'Ambovombe. Nidina ifotony tao Tsirangoty, toerana amoron-dranomasina hanatanterahana ny tetikasa ny delegasiona notarihin'ny Lehiben'ny Faritra Androy niaraka tamin'ireo teknisianina isan-tsokajiny voakasiky ny tetikasa. Nojerena nandritra izany ny toerana hametrahana ireo foto-drafitrasa. Natao ny fanombanana ara-teknika. Nifampidinihana momba ireo dingana hanatanterahana ny tetikasa, mba hiantohana ny fahombiazany sy ny faharetany. Tsy natao ho an'ny rano fisotro madio ho an'ny mponina ihany, fa ao koa ny fambolena ary ny fiompiana.
Jean D.
Fitsirihana ny toerana hametrahana ny tetikasa "dessalement" ao Tsirangoty Ambovombe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT