Sosialy

Ambovombe Androy Efa tafakatra 2.000 Ar ny rano iray bidon amin’izao


  • Alakamisy 13 Oktobra 2022

Tena mijaly rano ireo mponina any amin’ny Faritra Ambovombe Androy amin’izao. Efa mananika ny 2. 000 Ariary mantsy ny vidin'ny rano fisotro madio 01 bidon miloko mavo amin'ny 20 litatra any an-toerana.

Ireo mpanam-bola ihany sisa vokatr’izany no afaka mampiasa rano araka izay filany avy fa ireo sahirana kosa dia miaina amin’ny rano mandeha sy ireo rano amin’ny vovo izay marihina fa efa maloto sy miharitra daholo ihany koa ny ankamaroany. Miandrandra vahaolana maharitra sy mitoetra mikasika izany ireo mponina any an-toerana raha araka ny loharanom-baovao azo. Marihina moa fa misy rano azo trandrahana tsara any amin’ity faritra ity saingy ilaina fitaovana manaraka ny fenitra sy finiavana izany raha tena tiany ny handresy ny haintany mahazo ireo mponina.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT