Sosialy

Ambositra Notolorana fanampiana ireo olona sembana


  • Alatsinainy 04 Aprily 2022

Nitsidika ireo ivon- toerana misahana ny zaza kamboty sy ireo olona manana fahasembanana tao Ambositra ny

 Filohan'ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine sy ny Minisitry ny Mponina Soafilira Princia ny faran’ny herinandro teo. Nandritra izany no nanolorana fanampiana ara-tsakafo sy ara-pitaovana ho azy ireo ho fanohanana ny ezaka ataon'ireo Pretra sy Relijiozy mpitantana ireto ivon- toerana ireto.Ankoatra izay dia nojerena manokana ihany koa ireo olona sahirana ara-pivelomana any amin’ity distrika iray ity amin’ny alalan’ilay tetikasa haraton’aina. Tetikasam-panjakana izay harindran'ny Minisiteran'ny Mponina, vatsian'ny banky iraisam-pirenena vola ary tanterahin'ny FID eny ifotony izy ity.Raha tsiahivina dia miisa 2975 ireo tokantrano marefo tao an-toerana nandray ny Vatsin'Ankohonana izay tohana ara-bola avy amin'ny fitondram-panjakana. Ny mba hahafahan’ireo tena sahirana miarina sy manatsara ny fidiram-bolany no tanjona, indrindra taorian’ny fandalovan’ireo rivodoza mahery vaika farany teto amintsika.
Nangonin’i Pati
Legende : Nahazo seza hahafahany mihetsika tahaka izao ireo olona manana fahasembanana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT