Sosialy

Ambositra Karohina fatratra ireo mpamatsy sy mpandray taolam-paty


  • Alarobia 15 Janoary 2020

Ao anatin’ny famotorana tanteraka ny mpitandro filaminana mahakasika ireo telo lahy tratra nitondra taolam-paty 5 sakôsy.

 

 

 

Voalaza fa karohina ireo mpiray tsikombakomba loharano sy mpanjifa ireto taolam-paty ireto. Taolam-paty lava miisa 188 nentin'ny jiolahy 3 no sarona tao Andalamahitsy Ambositra II, ny folakandron'ny alahady 12 janoary 2020. Rehefa nahazo angom-baovao avy amin'ny olona tsara sitrapo ny tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena Ambositra fa misy fiara mazda miloko mena sy fotsy avy any Fandriana mitondra taolam-paty, dia nanao sakana sy fitsirihana tao Andalamahitsy. Sarona tokoa ilay fiara ka rehefa nosavaina dia taolan-dava miisa 188 natao tao anaty sakôsy 5 no hita. Nosamborina avy hatrany ireo lehilahy miisa telo nitondra izany, izay samy avy any Fandriana sy niaiky fa mpisera taolam-paty ary nogiazana ambalam-pamonjana ilay fiara. Mitohy ny fanadihadiana lalina ahafantarana ny manodidina itony raharaha itony. Ankasitrahan’ny mpitandro filaminana ny loharanom-baovao sy ny hakingan'ireo Zandary nanao fitsirihana.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT