Sosialy

Amborovy-Mahajanga Nahitana faty efa tena simba


  • Alakamisy 16 Jolay 2020

Fatin-dehilahy iray, efa tena simba, no hitan’ny olona teo amin'ny morontsiraka Maroala Fokontany Amborovy, Mahajanga.

 

 

  Mpanjono handeha hanadio lakana ny talata alina no nahita ka niantso Fokonolona ary nampakatra an-tanety ilay faty. Teratany vahiny ilay maty, misy tombokavatsa sandriny ilany saingy tsy mbola fantatra ny mombamomba azy sy ny fomba nahafatesany. Taorian’ny fizahana ny razana sy fanamarinana nataon’ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny Fokontany, ny zandary ary ny BMH dia nalevina tao Mangatokana ilay faty ka ny mpamonjy voinan'ny Kaominina ambonivohitr'i Mahajanga no nikarakara izany.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT