Sosialy

Amborompotsy Talatamaty Mpianaka maty main’ny afo


  • Alarobia 02 Febroary 2022

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao amin’ny Fokontany Amborompotsy, kaominina Talatamaty herinandro lasa izay. Tokantrano iray izay misy fianakaviana 7 samihafa no nirehitra ka Ramatoa lehibe

iray izay voalaza fa efa tratry ny aretin’ny fahatapahana lalan-dra ary tsy afaka nitsangana nanavotra ny tenany intsony no namoy ny ainy vokatr’izany. Niezaka ny namonjy ity farany ilay zanany raha araka ny fantatra hatrany saingy may ihany koa ka tsy afa-nanoatra. Notsaboina herinandro ihany koa moa ity farany dia maty namoy ny ainy raha araka ny vaovao azo hatrany. Hatramin’ny omaly nanoratanay ny vaovao moa dia tsy mbola fantatra izay antony nahatonga ny afo. Teo an-danin’izay anefa dia lasa lavenona avokoa ny entan’ireo fianakaviana rehetra nonina tao amin’ilay trano. Ny hany fantatra dia misy mpivarotra hani-masaka ao anatin’ireo fianakaviana miisa 7 samihafa ireo. Ny sampana mpamonjy voina avy any Ivato moa no mamonjy ireo kaominina eny amin’ny manodidina sendra voina tahaka izao raha tsiahivina fa tsy mbola manana ireo kaominina sasany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT