Sosialy

Ambondrona Lasa fanariam-pako ny elakelan-trano


  • Sabotsy 18 Aprily 2020

Asa na vokatry ny coronavirus izay niteraka ny fihibohana na fanararaotana tsotra izao hoy ireo mponina eny Ambondrona misy ireo elakelan-trano maro samihafa fa lasa kamo manary fako eny amin’ny daban-jaoridira napetraky ny kaominina ny mponina sasany eny an-toerana.

 

 

 

 

 Any amin’ireo elakelan-trano talaky ny masony avokoa izy ireny no manary ny fakony hany ka tsy vitsy ireo mponina manakaiky izany no difotry ny fofona sy hitangoronan’ny lalitra. Tsy ny aretina coronavirus intsony indray no atahorana hankarary ireo mponina eny an-toerana araka izany fa ny loto. Raha araka ny fitarainan’ireo mponina hatrany dia efa nisy ny tatitra nataon’izy ireo teny anivon’ny sefo Fokontany ary eo am-piandrasana izay mety ho vokany izy ireo. Ankoatra izay dia nitaraina ihany koa ireto mponina ireto fa tsy nisy asa fanadiovana faobe intsony teny amin’ny faritra nisy azy tato ho ato. Raha tsiahivina anefa dia ny asa fanadiovan-tanana no tokony tena imasoana amin’izao fotoana handalovan’ny coronavirus eto amintsika izao hahafahana mamono ilay tsimok’aretina tsy hiparitaka.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT