Sosialy

Ambondro Ambovombe Androy Olona 5 maty vokatry ny kere


  • Alarobia 06 Janoary 2021

“Amin'alahelo lehibe no itarainako eto mba ho hitam-poko hitam-pirenena. Zaza 02

 

 

 

no namoy ny ainy vokatry ny kere aty amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambondro any Ambovombe Androy, ary mbola io hitantsika amin'ny sary io ny Reniny izay tena reraka be ihany koa noho ny kere ihany”, hoy ny Raim-pianankaviana iray antsoina hoe Mahasambatse Victor tao amin’ny tambajotran-tserasera. Ankoatra izany, dia Raim-pianakaviana iray sy ny zanany 02 ihany koa no maty vokatry ny kere, niala ny tanànany nandeha an-tongotra hitady ravin'ahitra kinanjo noho hanohanana, izay namely azy ireo teny an-dalana ho any Sahanalo, dia maty ireo telo mianaka raha vao tonga any, hoy ny fitantarany. “Mangataka tsy sasatra amin'alahelo aminareo mpitondra fanjakana ambony ny mba hijery todika ireo fianakaviana tra-boina fa na ny ho entina mandevina ireo razana aza tsy misy ny am-pelatanana. Mangataka aminareo sy ny mpandraharaha izahay mba hanao izay fomba azonareo atao haingana dia haingana ny hanampiana ny vahoakan’ Ambondro. Malagasy aho, Malagasy ianao, samy malagasy isika ka aoka hiray fo ka hifanampy”, hoy izy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT