Sosialy

Ambohitrinimanga Namehana Lasan’ny karana ny tany nohajarian’ny mponina nandritra ny 70 taona


  • Talata 16 Novambra 2021

Tany nohajarian’ny vahoaka nandritra ny 70 taona tany amin’ny Fokontany Ambohitrinimanga, Ambodiarinarivo, kaominina Ambohibary Namehana,

 distrikan’Antananarivo Avaradrano no voalaza fa lasan’ny tera-tany karana. Mirefy 23 ha izy io raha araka ny fitarainan’ny mponina. Nidina nilanha sora-baventy naneho ny alahelony ireo mponina araka izany omaly ary nilaza sy niteny ombieny ombieny fa tsy hanaiky mora foana ny fakana ny taniny izy ireo na inon-kidona na inon-kihantra. Efa nisoratra amin’ny anaran’ilay orinasa Society The Land moa ity tany ity hoy hatrany ireo mponina. Nohamafisin’izy ireo ihany koa fat any Miarinarivo no natao ny taratasy fifampivarotana mahakasika ny tany nefa avy amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano no misy azy. Miantso ny fandraisan’andraikitry ny mpitondra fanjakana araka izany ireto farany.
Pati
Legende : Nilanja sora-baventy tahaka izao ireo mponina omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT