Isan’ny mpamboly vary ny kaominin’Ambohitrimanjaka, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Ihajason Randriamanalintsoa,
ary aza adino fa vary aloha no amboleny. Ny dikan’izay dia hoe mila rano raha tiana ho vokatra, hoy izy. Misedra olana amin’izay lafiny izay tahaka ireo kaominina hafa rehetra, noho izany, Ambohitrimanjaka amin’izao fotoana izao. Tapa-bolana, in-droa niverina teo izay, no naha ritra ny ranon’i Tsiazompaniry, izay neverina hanondrahana tanimbarin’ Ambohitrimanjaka. Misa moa ny fifanarahana eo amin’ny fatrana rano omen’ny JIRAMA anay amin’ny fitantanana ny tohadranon’i Tsiazompaniry. Ny atsasany amin’ny rano tokony ho azonay ihany no azo tamin’ity taona ity noho ny fahakelezan’ny rotsak’orana tamin’ny taon-dasa. Tapitra izay dia nanomboka tany amin’ny tapaky ny volana oktobra no nanomboka ritra ny rano. Tsy nanana rano hampidirina intsony i Ambohitrimanjaka. Ny rotsak’orana tsy misy. Maina izao ny tanimbary. Tsy misy azo atao satria rehefa tsy misy rano hanetsam-bary ny vary aloha dia taraiky eo. Tsy misy koa ny fidiran’ny zana-trondro. Tsy manana asa koa ny mponina satria rehefa ritra ny tanimbary dia tsy afa-miasa ireo mikarama manetsa, mihava vary, mitaona ketsa sy ny rehetra. Etsy andaniny koa anefa iarahantsika mahalala fa betsaka ireo very asa noho ity krizy ara-pahasalamana ity. 1/3n’ny velaran-tany 11 000 ha no voaketsa sy mba nisy ho raisina fa amin’izao fotoana izao dia tratry ny haintany daholo ny tanimbary rehetra eto Ambohitrimanjaka. Efa nanao antsoavo ny fitondram-panjakana ny amin’ny mba handatsahana orana voatr’olombelona moa izahay ka dia miandry, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ny ben’ny tanànan’Ambohitrimanjaka
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.