Sosialy

Ambohitrimanjaka sy ny manodidina “Tsy misy mpikaramanady izahay”


  • Alatsinainy 21 Oktobra 2019

Ny sabotsy lasa teo no fotoana nifanomezan`ny olona voakasika ny fanotofana tany enyAmbohitrimanjaka sy ny manodidina.

 Vao maraina dia efa nifampitaona ireo mponina manohitra ny fanatanterahana ny tetikasa Tana-masoandro. Hita teny avokoa ny solontenan`ny mponina teny Ambohitrimanjaka, Ankadimanga, Ambohidrapeto ary Fiombonana. Nanampy azy ireo koa ny teo anivon`Anosibe Izaivola hanambatra ny feo amin`ny hanoherana ny tetikasa Tana-masoandro izay mirefy an-jatony hektara eo. Niroso tamin`ny fifampiresahana eo amin`ny samy mponina ny maraina. Tamin` ny 12 orasy sasany, nidina nandeha teny amin`ny toerana hanombohana ny tetikasa izy ireo. Ho an`ireo mponina, mazava ny heviny fa tsy manohitra fa ,ny hamindrana izany any amin`ny toeran-kafa no takiany. Raha mijoro eto dia tsy hanongam-panjakana akory fa ny fanatontosana azy eto no lavinay, hoy ny mponina teny an-toerana. Marihana fa efa vita ketsa ireo tanimbary midadasika ireo na dia tsy ampy rano aza ary manahy sahady ny  haratsin`ny voka-bary ireo tantsaha. Mangataka ny famoahana ireo namany voatazona eny amin`ny mpitandro filaminana koa ireo mponina ary miankina amin’ny fanjakana ny tohin`ny hetsika. Tao anatin`ny filaminana tanteraka ny hetsika satria ireo mpanao fihetsiketsehana dia tsy nitroatra sy tsy nanatanteraka korontana. Ny mpitandro filaminana dia vory lanona teny an-toerana. Tsy maintsy mijanona eny an-toerana mandra-pilamin’ity resaka ity, hoy ny tompon’andraikitra iray. Hametrahana fandriampahalemana eny Ambohitrimanjaka hahafahana misoroka ireo fanararaotana mety hitranga ihany koa. Raha fintinina dia tsy hanaiky ny fanotorana tanimbarysy ny fandrodanana trano izy ireo kanefa vonona amin`ny fifampiresahana.  Tsy nahitana solontenam-panjakana kosa teny an-toerana raha niandry fatratra fifampiresahana ny mponina. Maro no mivoy ao anaty tambajotra sosialy fa voakarama ireo olona sasany amin`ity fihetsiketsehana ity. Nandiso izany izy ireo ka nilazany hatrany fa tsy misy voakarama izy ireo. Nohamafisiny ihany koa fa tsy misy resaka politika ity ary hetsi-bahoaka hatrany no tanterahin`izy ireo. Tsy ekena ny fanaratsiana anay, hoy hatrany ireo mponina teny an-toerana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT