Sosialy

Ambohitrimanjaka Miverina amin’ny laoniny ny famatsian-drano


  • Zoma 04 Oktobra 2019

Efa miverina amin’ny laoniny ny fizarana rano eny Ambohitrimanjaka amin’izao,

 

 

 hoy ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Miantoka ny fiveloman’ny tantsaha Malagasy ny famokarana eny ambanivohitra, indrindra ny famokaram-bary, hoy io minisitera io. Ezaka lehibe anisan’ny tratrarina ao rahateo ny fahavitan-tenan’ny Malagasy ara-bary ary saro-pady tokoa ny fampidirana rano an-tanimbary. Noho ny tsy fahampian-drano eo amin’ny lemak’Ambohitrimanjaka dia teraka ny disadisa teo amin’ireo samy mpamboly sy mpampiasa ny reniranon’i Sisaony. Nisy tantsaha nanangana toha-drano tsy ara-dalàna ka velaran-tanimbary manodidina ny 1 000 ha, izay mamokatra vary 6t/ha no lasa maina tanteraka ka tsy afaka nanohy ny asa famokarana ireo hafa ao an-toerana. Tsy azo atao anefa ny manao sakana. Manoloana izany dia nijery ny zava-misy ny minisitera. Efa voavaha ny olana ankehitriny ary efa miverina amin’ny laoniny ny fitantanan-drano eny an-toerana. Afaka 15 andro, raha ny fanazavana nentin’ireo tantsaha izay tratry ny fahirano teo aloha dia afaka hanomboka indray, hanohy ny asa famokarany izy ireo. Tsy miombon-kevitra amin’ny fanotofana tany kasain’ny fanjakana hatao ve ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT