Sosialy

Ambohipo, Ankatso, Ambatomaro Tezitra noho ny krizin-drano ireo mpianatra


  • Alarobia 08 Desambra 2021

Raikitra indray ny grevin’ny mpianatra teny Ankatso sy ireo avy eny Ambatomaro omaly noho ny tsy fisiana sy tsy fahampian’ny rano eny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra.

 Ny alin’ny alatsinainy hifoha omaly talata no efa nihetsika nanakan-dàlana ny teny Ambohipo, ary dia io niitatra io indray. Nilaza ho leo tsy fisian-drano, ary naneho fa vahaolana maharitra, rano tonga isan-trano no ilainy fa tsy “bonbone”, izay nolazain’izy ireo fa zara raha “blocs” 2 amin’ny 37 ihany no misitraka izany eny Ankatso 1 sy 2. Nihazo ny oniveristen’Antananarivo, ka nandoro azo sy kodiarana. Tsy hijanona ny hetsika raha tsy misy rano tonga isam-baravarana. Toy ny pipin-jazazakely ny rano kanefa amin’ny 1ora maraina vao mba mandeha. Mila mandeha daholo ny paompy rehetra, ary vahaolana maharitra no takiana, fa tsy “bonbone”, hoy hatrany ireo. Efa ho lava ity grevy momba ny tsy fisian-drano ity, ka irariana ny ahitana vahaolana maharitra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT