AMBOHINOSY ALAKAMISY FENOARIVO

Bebe tezitra tamin’ny sipany, tratra nanongotra volin’olona


  • Talata 27 Febroary 2024

Tsy voatery ho matotra foana kay ny olona na dia efa lehibe aza.

Bebe iray manodidina ny 60 taona eo ho eo no tratran'ny zandary avy nanongotra volin'olona teny an-tsaha teny Ambohinosy, fokontany Antanety II, kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano ny alin’ny Alahady teo tokony ho tamin'ny 10 ora. Raha nambarany dia avy nifamaly tamin'ny sipany Rabebe ka tezitra mafy hany ka voatery nitady zavatra nanatoniana ny fony. Efa fanimbana fananan’olona anefa no nataony na inona na inona mety ho anton’izany.Nampitandremina mafy ny zandary noho izany mba tsy hamerenany izany fihetsika mampalahelo izany intsony.
Pati
Legende : Sady nalaina sary Rabebe no nasaina nilanja ity taratasy ity fa ho bebe maodely amin’izay, hono, !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT