Sosialy

Ambohimitsinjo - Sambava Raim-pianakavina nitifitra nahafaty ny zanany vavy


  • Alatsinainy 30 Novambra 2020

Tovovavy iray 14 taona no namoy ny ainy ny sabotsy lasa teo tamin'ny 08 ora alina tany Sarahandrano, distrikan` Sambava.

 

 Araka ny vaovao voaray dia noho ny tifitra nahazo azy teo amin` ny kibony no nitarika ny fahafatesana. Taorian` ny fanadihadiana nataon` ny zandarimariam-pirenena no nahafantarana fa ny rainy ihany no nitifitra an`ity tovovavy ity. Raha ny filazan`ireo nanatri-maso dia nisy fifamaliana sy tsy fifankahazoana teo amin` izy mianaka eo amin` ny lafiny ara-pitondran-tena, ka nampisen-doatra an-dRainy ka niafara amin'izao fati-olona izao. Voasambotra ny nahavan-doza, izay Lehiben'ny fampianarana tany an-toerana teo aloha ary nogiazana ny basy nampiasainy.

 

Ny fampiasàna basy dia misy lalàna mamaritra azy, natao hiazàna biby tsy voaaro, na atao hiarovan-tena na atao hiarovana amin'ny fahavalo, fa tsy hamonoana olona vokatry ny tsy fifehezan-tena. Misy andinindinin-dalàna tsy maintsy arahina sy an-tanan-tohatra lalovana izany. Ny fandikàna ireo lalàna fampisàna azy ka miteraka faharatràna (ara-tsaina na/sy ara-batana) na fahafatesan'olona dia mahavoasazy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT