AMBOHIMITSARA AMBATOLAMPY

Potiky ny havandra ny ankamaroan’ny fambolena


  • Alarobia 25 Oktobra 2023

Raha ny fiakaran’ny rano nanerana ny faritra maro no nampitaraina antsika teto an-drenivohitra afak’omaly

Alatsinainy dia ny filatsaky ny havandra mahery vaika kosa no tena nampitaraina mafy ireo mponina tao amin’ny Fokontany Ambohimitsara, kaominina sy distrikan’Ambatolampy. Tsy nijanona ho ranon’orana fotsiny mantsy izany fa niampy havandra vaventy, nanomboka tamin’ny 02 ora sy sasany folakandro. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nahatratra 20 ha ny fambolena potika tanteraka, nandanian’ireo tantsaha mpamokatra ny herim-pony sy ny volany nandritra ny volana maromaro. Na izany aza tsy nisy aina nafoy na ny naratra. Mba tsy nisy ihany koa ny biby fiompy maty. Mangataka tohana avy amin’ny Fitondram-panjakana araka izany ireo tantsaha mpamokatra ireo mba hahafahany manarina ny asa fihariany. Ho an’ny zandarimariam-pirenena manokana dia nanentana ny amin’ny tokony hanajana ny fady izy ireo. Rehefa avy tahaka izao mantsy ny orana hoy hatrany izy ireo dia betsaka ireo zavatra tsy azo hatao, indrindra fa ny eny ambanivohitra saingy mbola betsaka ireo tsy mino izany ka lasa manaotao foana.
Pati
Legende : Havandrabe tahaka izao ny tany amin’iny faritra Ambatolampy iny afak’omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT