Sosialy

Ambohimangakely Misy fanariam-pako mampitaraina vahoaka


  • Alakamisy 03 Febroary 2022

Misy ny antso fanairana noho ny tsy fanajàna ny fahadiovana sy ny tontolo iainan'ny mponina ao anatin'ny kaominina Ambohimangakely amin’izao fotoana izao

. Efa am-bolana mantsy izao no nataon'ny Kaominina toeram-panariam-pako izay taterin'ny fiaraben'izy ireo isan'andro ny faritra iray eo anelanelan'Ikianja Avaratra sy Ambohitrombihavana, samy ao anatin'ny kaominina Ambohimangakely. Fako amin'ny karazany rehetra no arian-dry zareo ao isan'andro. Tsy manara-penitra anefa ny toerana fa malaladalaka fotsiny dia ampiasain'izy ireo tsy misy fiarovana amin'ny mety ho fiparitahan'ny loto sy fofona, indrindra amin'izao fotoam-pahavaratra izao, hoy ny fanamarihana. Marihana fa ao anatin'ity kaominina ity no misy ny tobin'Andralanitra, izay anariana an'ireo fakon'Antananarivo. Tsy fantatra aloha na efa tsy afaka mampiasa azy io intsony ny kaominina Ambohimangakely na tsia, ka anton'izao hampiasan'izy ireo toeran-kafa amin'ny fanariany ny fakon'ny kaominina izao. Tsy mbola namoahana na naharaisana fanapahan-kevitra kaominaly ihany koa ny fisian'ny toeram-panariana fako vaovaon'ny kaominina Ambohimangakely. Torohan'ny mponina sasany kosa izao finiavana manaonao foana tsy manaja ny fenitra amin'ny fampiasana/fanamboarana toby fanariam-pako tsy am-piheverana izao. Raha ny angom-baovao natao teny an-toerana dia tanin'olon-tsotra io ampiasain'ny kaominina io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT