Sosialy

Ambohimanatrika Jiolahy roa tratra saika hanendaka niaraka tamin’ny antsy


  • Alatsinainy 16 Martsa 2020

Jiolahy miisa 2 no voasambotry ny polisin'atsimondrano tetsy Ambohimanatrika ny sabotsy 14 martsa teo tokony ho tamin'ny 11 ora maraina.

Teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ireto olon-dratsy niaraka tamin'ny antsy be no hitan'ny polisy manao fisafoana saika hanendaka tetsy Antsahasoa . Vao nahita ny polisy izy roalahy dia nirifatra nandositra. Ny polisy tetsy ankilany avy dia nanenjika ireto olon-dratsy ka tratra teny amin'ny lalamby Ambohimanatrika tsy lavitra ilay toerana saika hanendahany niaraka tamin'ilay antsy ireto farany. Tsy nisy moa ny zavatra lasan'ireto mpanendaka ireto. Tsy ampy taona ny iray amin'ireto mpanendaka satria vao 17 taona monja  raha 23 taona kosa ny iray.Nentina avy hatrany tany amin’ny  kaomisaria ireto olon-dratsy ireto hanovana fanadihadiana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

Hijery ny tohiny
FTT