Sosialy

Ambohimanarina Zokiolona maro notoloran’ny CNaPS 100 000 -1 000 000 Ar


  • Alarobia 06 Oktobra 2021

Nitondra fanampiana sy fankasitrahana ireo mpikambana mahafatra-po ao aminy mihoatra ny 75 taona ny CNaPS, ka natomboka teny izany ny teny Ambohimanarina izany,

izay mifanindran-dàlana amin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fiahiana ara-tsosialy. Tonga nanolotra izany ny Tale Jeneralin’ny CNaPS Atoa Mamy Rakotondraibe sy ny Minisitry asa sy ny lalàna sosialy Rtoa Gisèle Ranampy ny 01 oktobra lasa teo, ka nihaona sy nitafa mivantana tamin’ireo zokiolona mpisitraka fisotroan-dronono eo anivon’ny CNaPS. Natolotra an-tànana azy ireo ny lelavola tsy haverina ho an’ireto mpisikatra voalohany ireto, ho mariky ny fankasitrahana. Tsy vao voalohany tamin’ny fanolorana fanampiana nataon’ny CNaPS ity natao ity, fa efa misy ny fiantohana ho an’ny fahanterana, ho an’ny loza am-perin’asa, ny aretina,… izay efa voarakitra ao anatin’ny antontan-kevitry ny CNaPS izay nofaranana ny 31 aogositra ny fikirakirana. Lelavola hatrany amin’ny 1 940 000 000Ar no hatontona amin’ny hetsika ho an’ny olona 17 510 mpisitraka tombotsoa (pensionné/rentier) eo anivon’ny CNaPS. Ho an’ny tetibola 2021, dia voalaza fa efa misy ny tahiry efa voaomana amin’izany. Tamin’ity fisitrahana ity, dia lelavola 100 000Ar no nositrahan’ireo zokiolona 75 hatramin’ny 89 taona; 150 000Ar ho an’ny 90 hatramin’ny 99 taona, ary 500 000Ar kosa ho an’ny 100 taona noho miakatra. Zokiolona efa tena vonton’ny taona miisa 10 nahazo 1000 000Ar avy. “Miezaka hatrany ny CNaPS mitondra tohana sy fanampiana mba ahafahan’ny tsirairay misitraka tohana ara-tsosialy, izay hatsaraina araka ny fotoana. Ho an’ny zokiolona sy ireo efa tena vonton’ny taona, dia tena horaisin’ny CNaPS an-tànana manokana”, hoy ny Tale Jeneraly Mamy Rakotondraibe.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT