Sosialy

Ambohimanarina Voasambotra tao anaty kirihitr’ala ilay mpanolana


  • Alatsinainy 16 Martsa 2020

Lehilahy iray no tra-tehaky ny polisin'ny boriborintany fahaenina tetsy amin’ny faritra Fanambinana Ambohimanarina ny sabotsy 14 martsa lasa teo noho ny resaka fanolanana.

 

 

 

 

 

Olon-tsotra iray no nampahafantatra ny polisy fa nisy lehilahy iray nanolana vehivavy tetsy Fanambinana ( Ambohimanarina) . Tsy niandry ela ny polisy fa avy dia nidina teny an-toerana nijery ilay vehivavy voaolana. Nilaza ity farany fa mbola tsy lasa lavitra ilay lehilahy nanolana azy fa mbola afaka samborina tsara. Rehefa niaraka nitady ilay mpanolana  ny polisy sy ilay vehivavy dia hita tao amina kirihitr’ala tsy lavitra teo amin'ilay toerana nitrangan'ny fanolanana ilay lehilahy. Vao nahita ny polisy anefa ilay mpanolana dia nirifatra nandositra tao anaty kirihatra ka raikitra ny fitadiavana azy. Minitra maromaro taty aoriana vao tratra ilay mpanolana ary nentina tany amin'ny paositry nypolisy misahana ity tranga ity hanaovana fanadihadiana.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

Hijery ny tohiny
FTT