Ambohimanarina

Natomboka ny asa sosialy 2 sosona tohanan’ny depiote Todisoa


  • Alatsinainy 11 Martsa 2024

Asa sosialy 2 sosona no nataon’ny depiote Todisoa Andriamampandry

ny sabotsy lasa teo teny Ambohimanarina. Nanokatra ny andiany faha-5 amin’ny fampiofanana natokana ho fikarakarana, fitsaboana ary fitaizana ireo zokiolona (soins et assistance aux personnes âgées). Natomboka ihany koa ny fampiofanana maimaimpoana ny teny « Allemand » raha toa, ka herinandro nialoha io no nisokatra ihany koa ny fampiofanana teny anglisy, izay samy maimaimpoana avokoa, mba ho tan-tsoroka ho an’ny tanora. Amin’ny maha Ray aman-dReny mpiahy sy mpanohana dia nanampy ary nitondra hafatra ho an’ireo mpiofana izay tonga maro be niarahana tamin’ny Team bien être sy ny fikambanana Ny Andraina ity depiote ity, izay nanamarika fa “tsy misy manana ny ampy fa sambatra zay mifanampy”. Nandritra io moa no nilazan’ny mpampiofana, fa marefo ny zokiolona ka mila fitaizana sy fikarakarana manokana. Sarotra kokoa, ary tsy ny rehetra no afaka manao izany. Miova araka ny vanim-potoana iainany ny toe-tsainy sy ny fahasalamany, ka mila fandraisana an-tànana manokana. Mila fanohanana ara-tsaina, ara-tsakafo,… izay misy lamina sy fahaiza-manao manokana. Nanipika kosa ny depiote Todisoa Andriamampandry, fa somary voakitikitika ny zokiolona ao anatin’ny fiainam-piarahamonina amin’izao fotoana izao. Tsy teo anefa isika rehetra raha tsy teo izy ireny. Mandeha ny taona, miha osa izy ireny, kanefa mandeha ny fanilikilihana, ka anton’izany itony fiofanana itony mba hahafahana mandray an-tànana azy, hanohanana azy ara-tsaina, ara-panahy. Isan’ny olona tena tadiavin’ny any Eoropa ireo mpiasa afaka mandray an-tànana ireo zokiolona, ka làlana misokatra ho an’ireo maniry ny hiasa amin’izany sehatra izany ny fiofanana taka itony, raha ny fanamarihany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT