Sosialy

Ambohimanarina Naolany tany amin’ny fitombenany ilay zazavavy


  • Zoma 27 Novambra 2020

Tovolahy iray 15 taona no tratra nanolana zazavavy kely iray 14 taona teny Ambohimanarina.

 

 Ny alatsinainy, 16 novambra 2020 lasa teo raha tsiahivina dia nandeha nijery baolina teny Soavimasoandro ny tovolahy iray sy zazavavy kely iray izay samy mipetraka eny Ambohimanarina. Rehefa tapitra ilay baolina dia nandeha nody izy ireo tokony tamin’ny 06 ora hariva. Tsy nentin’ilay lehilahy tamin’ny lalana tokony nalehany anefa ilay zazavavy fa nentiny tamin’ny lalana takotakona, tany an-tsaha ka rehefa hitan’ity tovolahy ity fa nangingiana ilay toerana dia nitsiry ny hevi-dratsiny ka dia naolany ilay zazavavy kely niaraka taminy. Marihana fa tany amin’ny lava-pitombenany no nanaovan’ity mpanolana ity ny fanolanana. Rehefa vita ny filan-dratsiny dia nateriny nody teny am-bavahady ilay zazavavy efa tamin’ny 9 ora alina. Rehefa tonga tao an-trano ity zazavavy ity dia nojeren-dReniny avy hatrany rehefa avy nifampitadiavana eraky ny tanana. Nahitana ranon’aina ny takon-kenatra nanaovany nandritra izany ka nipetraka ny ahiahy fa nisy nanolana izy. Ny 25 novambra teo no voasambotra ilay tovolahy ka nanaovana fanadihadiana avy hatrany. Ilay zaza kosa rehefa nojeren’ny mpitsabo dia hita fa tena simba tokoa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT