Sosialy

Ambohimanarina Lehilahy iray tratra nisintona finday teny an-tanan’olona


  • Zoma 20 Martsa 2020

Lehilahy 23 taona no voasambotry ny polisy ao Ambohimanarina ny 18 Martsa teo noho ny resaka fanendahana. Ramatoa iray nandray antso tamin'ny findainy no nanaovan'ity jiolahy ity ny asa ratsiny teo Ambohimitsinjo Ambohimanarina.

 

 

Raha iny vao saika handray antso iny ity vehivavy ity no nisy nisintona tampoka ny finday teny an-tanany. Nitsaoka avy hatrany moa ilay mpanendaka vao azony ilay finday. Niantso vonjy ny teo amin'ny manodidina ity ramatoa ka niezaka ny nanenjika ihany ireo fokonolona fa tsy tratran'izy ireo intsony ilay jiolahy. Tamin'izany indrindra no nandalo nanao fisafoana teny amin'iny faritra Ambohimitsinjo iny ireo polisy ka nampilazan'ireo fivondronam-pokonolona ny zava-misy. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany. Rehefa nikaroka nandritra ny minitra maromaro ireo polisy ireo dia hita ihany ity jiolahy mpanendaka ity ka nosamborina ary nentina namonjy ny birao avy hatrany. Atolotra ny fitsarana androany 19 marsa 2020.Natolotra ny fitsarana, omaly ny lehilahy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT