Sosialy

Ambohimanarina 8 lahy voasambotra nitazona sy nifoka rongony


  • Alarobia 11 Martsa 2020

Lehilahy 08 no voasambotry ny polisin'ny CSP 06 Ambohimanarina ny 09 martsa teo noho ny fitazomana sy fifohana rongony.

 

 

 

Mitohy hatrany ny ezaka hataon'ny polisim-pirenena amin'ny fitandroana ny filaminana eny amin'ireo toerana matetika hisehoan'ny asa ratsin'ireo jiolahy. Ny ankamaroan'ireo mpanendaka sy mpamaky trano dia midoroka zava-mahadomelina ary eny amin’ireo elakelan-trano sy toerana mangina. Manoloana izany dia misy hatrany ny paik'ady izay tanterahin'ny polisy hanafoanana ireo asa ratsy aterak'izany ka nahitam-bokany avy hatrany izany. Ny 09 martsa teo  tokony ho tamin'ny 09 ora alina, nandritra ny fisafoana ireo elakelan-trano amin'iny faritra Ambodihady sy ny manodidina iny. Tovolahy iray, mandeha irery , no nitsaoka vao nahita ireo polisy nanao fisafoana avy lavitra. Najanon'ireo polisy izy fa mbola nitsaoka ihany ary raikitra ny fifanenjehana. Niezaka ny nanenjika ihany ireo polisy fa tsy tratra . Nanohy ny fisafoana ihany anefa ny polisy ka rehefa tonga teo Ambany Atsimo dia nahatsikaritra trano iray nirehitra jiro ary vao nandalo teo akaikin’ilay trano ny mpitandro filaminana dia nisy nanapika ny jiro. Nahenoana fofona rongony ihany koa teo akaikin’ilay trano ka avy hatrany dia nodidinin'ireo polisy ary nasaina nivoaka ireo olona tao. Rehefa nivaoka izy efa-dahy dia niditra ny polisy nanao fisavana ka saika nitsaoka teo am-baravarakely ny iray tamin'izy ireo fa voatazona. Mbola hita tao daholo ireo fonosana rongony, potika rongony efa avy nofohona ary ny iray tamin'ireo lehilahy ireo dia mbola nahatrarana fonosana rongony maromaro mbola tsy nokitiana. Nentina namonjy ny kaomisaria Ambohimanarina moa izy efa-dahy ireo natao famotorana. Taoriana kelin'io anefa, teny amin'iny faritra Ambodihady iny ihany tokony ho tamin'ny 09 ora sy sasany alina dia nahatratra lehilahy 4 hafa ihany koa ireo polisy ireo ary mbola teo am-pifohana sy nahitana fonosana rongony maromaro teny amin’izy ireo. Natolotra ny fitsarana omaly izy valolahy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT