Sosialy

Ambohimanambola Tokantrano 1220 no notolorana Vatsy Tsinjo


  • Alakamisy 30 Aprily 2020

Tao anatin’izay nampiharana ny hamehana ara-pahasalamana teto amintsika izay ka nanatanterahana ny fijanonana an-trano hoan’ny rehetra dia nanambara ny ben’ny tanànan’ity kaominina ambanivohitra Ambohimanambola ity,

 

 

 

 Rtoa Nantenaina, fa naharay vatsy tsinjo 610 avy amin'ny fanjakana foibe izay notsinjaraina ho an'ny tokatrano 1 220 manerana ny fokontany 10 ity kaominina ity. Ny fitsirihina ireo izay tokony hisitraka izany sy ny fitsinjarana dia niarahana tamin'ny Komity Loharano eny amin'ny fokontany. Nisitraka ny tsena mora koa ny fokontany rehetra eto anivon'ny kaominina. Mbola mitohy izany ary isaky ny andro sabotsy. Naharay ny anjara tambavy CVO koa, ny kaominina ary efa natomboka ny fizarana izany,ary hitohy mandritry ny 7 andro. Ho an'ireo fokontany mbola tsy nahazo dia mbola ho avy fa miandry fandaminana. Nisy ihany koa ny arotava nalefa teny amin’ny Fokontany ka ny komity loharano no nizara izany araka ny fanadihadiana nataony.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT