AMBOHIMAMORY ITAOSY

Zaza 3 volana narian-dReniny tamin’ny ankizy 12 taona


  • Alarobia 30 Aogositra 2023

Tena efa mafy ny fiainana! Mahavita manaotao foana mihitsy ny ankamaroan-dRaolombelona manoloana izany, eny fa na dia ny Reny niteraka heverina ho be fitiavana indrindra aza.

Zazakely vao telo volana monja omaly Talata no napetraky ny reniny tamina zazavakely hafa 12 taona teny Ambohimamory Itaosy teny. Nilaza fa hiantsena ilay Ramatoa renin'ilay zaza ka niangaviany io zazavavikely io mba hitazona ilay zanany vetivety. Indrisy anefa fa tsy niverina intsony izy. Nanapa-kevitra ny niantso ny zandarimaria ireo olona teo amin’ny manodidina noho izany rehefa tsy nipoitra intsony izy. Noraisina ny fepetra ka nantsoina ny tompon'andraikitra ao amin'ny ministeran'ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy. Nialoha izany anefa dia nanome lamba firakotra nanoloana ilay zaza ireo olona tsara sitrapo teny Ambohimamory. Nentina tany amin'ny mpitsabo ilay zaza taorian’izany nijerena ny fahasalamany. Efa noraisin'ny avy ao amin'ny Minisiteran'ny mponina moa ny fikarakarana ilay zaza.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zaza tsy manan-tsiny sy ilay zazavavy kely nanarian-dReniny azy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT