Sosialy

Ambohijatovo sy Anosy Azo tsidihina amin’izay ny zaridaina vaovao


  • Alatsinainy 04 Aprily 2022

Nisokatra nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo ny zaridainan’Ambohijatovo sy Anosy, izay hahazaka olona 70 sy 100 avy taorian’ny asa fanamboarana sy fanarenana natao taminy.

Voafetra ihany aloha ny isan’ ny olona afaka miditra noho ny fepetra ara-pahasalamana. Isaky ny faran’ny herinandro, raha ny fanazavana, no hisokafan'izany aloha amin'izao fanombohana izao. Natao indrindra hampialana voly ny mponin’Antananarivo no tanjona, indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny Paska izao. Hatreto aloha dia mbola maimaimpoana ny fidirana ao anatin’ny zaridaina saingy tsy maintsy tandrovana tsara kosa ny fahadiovana sy ny kalitaon’ireo zava-bita. Marihina moa fa olona marobe no efa tonga nitsidika ireto zaridaina roa ireto tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nisy mihitsy aza ireo efa nitondra sakafo maivana. Misokatra manomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 06 ora hariva ny zaridainan’Ambohijatovo.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT