Sosialy

Ambohijatovo Nozaraina akanjo ireo sahirana ara-pivelomana


  • Alarobia 12 Aogositra 2020

Mbola betsaka ireo olona tsy manan-kialofana mipetraka amin’iny faritra Ambonin’Ambohijatovo iny, indrindra hatramin’ny nisian’ny fahamehana ara-pahasalamana.

 

 

Maromaro ihany koa mantsy ireo tsy nahavita nandoa hofantrano intsony noho ny fahaverezan’asa…. ka lasa nanorim-ponenana eny rehetra eny. Iaraha-mahalala anefa ny hatsiaka amin’ny alina, ny any amin’ny trano misy rindrina aza mbola mangatsiaka, antony nizaran’ny fikambanana Tanora Actif an’i Madagasikara na TAMA fitafiana ho azy ireo. Ny 10 Aogositra lasa teo no nanatanterahan’ny fikambanana izany ka zaza amam-behivavy am-polony no nahazo tombontsoa. Tanjon’ity fikambanana iray ity moa ny hanampy hatrany ireo sahirana ara-pivelomana mpiray tanindrazana, indrindra ao anatin’izao ady sarotra lalovan’ny firenena izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT