Nisy ny fifandonana teo amin'ireo polisy monisipaly eto Antananarivo sy ireo mpivarotra hani-masaka manodidina ny zaridaina Ambohijatovo omaly alahady maraina.
Tonga teny an-toerana hanala ireo mpivarotra ireo polisy monisipaly, siangy raikitra ny fifamaliana. Naongan’ireo polisy monispaly avokoa ny entana namidin'ireo mpivarotra ka izay no nahatonga ny fifandonana, hoy ny ankilany. Samy manana ny fijeriny ny rehetra eo anatrehan’ity toe-javatra ity. Samy manana ny heveriny fa rariny ihany koa ny andaniny sy ny ankilany satria ny polisy monisipaly, dia izay ny no mety baiko azony hoe: esory ireo fa tsy ara-dàlana sady manaratsy ny tanàna. Na inona na inona kosa antony dia tsy mety ny fanimbana entan’olona. Ny ankilany mivoy an’ilay hoe: izahay mahantra, krizy izao, tsy misy asa,… ka tokony tsy hokitikitihina ny fivelomanay. Misy ihany koa ny maneho hoe: izahay aza hakana “ticket”, midika izany fa ara-dalàna izahay,… Sarotra ny hitsara hoe: ny an’iza ny marina ary ny an’iza ny diso, fa mila samy tonga saina ao anatin’ny fanajana ny làlana sy ny fitsipika mifehy ny tanàna. Tsy vao izao ihany koa anefa no nisy ireo mpivarotra koa nahoana no efa zatra sy nahazo faka teo vao hoe: hoesorina? Nahoana no tsy vao nanomboka teo dia efa norarana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.