Omaly no nalevina ilay lehilahy iray mananika ny efapolo taona mahery tsy hitan’ny fianakaviany nanomboka tamin’ny herinandro ambony.
Niezaka nitady azy ireo havany akaiky sy ny mpiara-monina teny Ambohidroa Ambohimanarina fa tsy nahita. Nandefa filazana tamin’ny haino aman-jery sy ny tambajotran-tserasera fa tsy nahitam-bokany. Ny faharenesana tao amin’ny onjam-peom-pirenena no nahavelona ahiahy ireo fianakaviana ka nahatonga azy ireo nanatona ny tranom-paty teo Ampefiloha. Voalaza tamin’ny haino aman-jerim-pajakana mantsy fa nisy lehilahy hita faty teny amin’ny ranon’Ikopa ary mifanakaiky amin’ilay endrika amam-bika sy ny halavany ary ny fitafian’ilay rangahy tadiavina. Nony tonga teny amin’ny HJRA, kepoka ireo fianakaviana fa ny havany very tokoa ity efa mitsirara miaraka amin’ireo razana maro. Efa mandray an-tanana ny raharaha ny mpitandro ny filaminana eny an-toerana. Marihina moa fa efa fanaon’ity lehilahy ity ny fanjavonana, fa havitsiana ny fotoana mampaharitra azy herinandro toy izao ka izay no nampikorapaka ny manodidina. Rehefa tsy misy fianakaviana maka moa ireo faty hita ka mijanona ela ao amin’ny tranom-paty dia eny Anjanahary no alevina. “Tranga fahita ny faty tsy ahitan’ny hopitaly havan’ny nodimandry. Rehefa miala nenina mandefa filazana amin’ny haino aman-jery samihafa izahay ary ny any amin’ny seraseran’ny manampahefana isan’ambaratongany, indrindra ny mpitandro ny filaminana izay ivantanan’ny fitarainan’ny fianakaviana manana havana very dia eny amin’ny fasambahiny Anjanahary no alevina ho an’ny eto an-drenivohitra”, hoy ny mpiandraikitra ny “morgue” Ampefiloha. Mahalasa saina ireo mpanara-baovao ihany ny fandevenana ampasambahiny, indrindra amin’izao firongatry ny halatra taolam-paty izao. Mafy amin’ny toetsain’ny Malagasy ny very faty toy izany. Matetika ireo jiolahy no tsy misy mpaka ka alevina eny Anjanahary. Mety ho henatra ho an’ny fianakaviana mantsy ny toy izany.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.