Sosialy

Ambohidratrimo Zaza 9 taona, maty main’ny herinaratra


  • Alatsinainy 22 Jona 2020

Zava-doza ny andrin-jiro mitondra herinaratra rehefa midaraboka amin’ny tany. Zazalahikely iray vao 09 taona no maty main’ny herinaratra tao Antsaingona, fokontany Ambohijatovo,

 

 

 

 kaominina ambanivohitra Antanetibe Mahazaza, distrikan’ Ambohidratrimo, ny alarobia 17 Jona teo. Namoy ny ainy avy hatrany ity zazalahy kely ity raha vantany vao nandalo teo amin’ilay toerana ka tsy nisy azo natao intsony na dia efa notapahana aza ny herinaratra. Efa nalevina ny zoma lasa teo ihany moa ny razana taorian’ny nakan’ny fianakaviana izany. Efa nahita ny zava-nitranga kosa ireo mpitandro ny filaminana tany an-toerana sy ireo tompon’andraikitra isanisany.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT