Ambohidratrimo

Mijery akaiky ny sosialim-bahoaka ny ZAM


  • Talata 02 Jolay 2024

Mpitsabo 8 matihanina amin'ny fanaovana "cironcision à l'américaine"

no niantsoroka ny fanaovana didim-poitra faobe zazalahikely 119 isa teny Ambohidratrimo ny faran'ny herinandro teo. Fiaraha-miasa amin'ny fikambanana Zanak'Ambohidratrimo Marovatana (ZAM) izy ity ary tena manampy no sady manala fahasahiranana anay tokoa hoy ny raim-pianakaviana iray. Nitondra ny anjara birikiny ka nanolotra kilalao ho an'ireto zazalahy natao hasoavana ireto ny filohan'ny ZAM Rabary Hery mivady.Nifanindran-dalana tamin'ity hetsika ity ihany koa ny fanaovana fitiliananara-pahasalamana faobe, maimaimpoana momba ny goty sy ny diabeta izay aretina anisan'ny mahavoa olona maro amin'izao fotoana. Olon-dehibe 100 latsaka kely no vita fitiliana. Tsy atao resaka fotsiny fa tena tanterahana ilay hoe fitsaboana manatona vahoaka, hoy ry zareo avy ao amin'ny fikambanana ZAM ka izay no anton'izao hetsika natao teny Ambohidratrimo izao. Fa mahakasika izay sosialim-bahoaka iantsorohan'ny ZAM izay ihany dia nisy ny fanamboarana tetezana tao Tsinjohasina mba ahafahan'ny olona mivezivezy sy ny fanamboarana lalana natao "pavé" tao amin'ny fokontany Soamanety.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT