Sosialy

Ambohidratrimo Adin’ny 2 isaky ny 10 andro no mba mandeha ny rano


  • Alatsinainy 12 Jona 2023

Velon-taraina mafy ireo mpanjifa ny ranon’ny JIRAMA ao anatin’ny kaominina Ambohidratrimo. Raha araka ny

loharanom-baovao voaray avy any an-toerana mantsy dia adin’ny 2 isaky ny 10 andro sisa no mba mandeha ny rano amin’ny paompy eny amin’iny faritra iny. Tsy fantatra mazava izay anton’izany raha araka ny fanazavan’ny mponina. Nohamafisin’ireto farany anefa fa tsy tara mihitsy ny JIRAMA rehefa hanatitra faktiora. Tsy maintsy tonga hatrany izany isaky ny fotoana tokony hahatongavany ary tsy maintsy aloha ihany koa fa raha vantany vao tara dia rano lava ny filazana fa ho tapaka. Lasa hanihanin’ireo mponina eny an-toerana araka izany ny hoe : tokony mba hoadinon’ny JIRAMA koa ny faktiora rehefa adinony ny mandrindra ny fandehanan’ny rano ho an’ireo tokantrano isanisany mandoa vola isam-bolana. Lasa miaina amin’ny fakana rano eny amin’ny vovon-drano avokoa moa ireo mponina eny an-toerana noho izany raha tsy vitsy ireo lasa manana tetikasa hanamboatra fatsakana tampoka ho an’ireo mbola manana tokontany malalaka.
(Sary fanehoana)
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT