Sosialy

Ambohidrapeto Nampiana 2 ireo sinibe mpamatsy rano


  • Talata 13 Oktobra 2020

Betsaka ireo faritra sahirana ara-drano amin’izao fiandohan’ny vanim-potoanan’ny lohataona izao.

 

Mba hahafahana manamaivana ny fahasahiranan’ny mponina ary dia fantatra fa hampitomboin’ny JIRAMA ireo citernes hiasa amin’ireny faritra ireny. Nosantarina tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano izany omaly alatsinainy.sinibe na "Citerne" roa no napetraka eny an-toerana hanampy ireo efa am-perin’asa Hitohy eny Ankadimanga sy Fihombonana ny fametrahana izany fitaovana fitehirizan-drano izany hahafahana mamatsy rano ny mponina amin'izao vanim-potoanan'ny faharitan'ny rano izao. Marihina fa "citerne" 96 amin'ireo 105 napetraka manerana ireo faritra misedra olana amin'ny famatsian-drano eto Antananarivo no efa mamatsy rano ny mponina . Na izany aza anefa dia vahaolana vonjimaika ihany izao tanterahina izao fa efa an-dalana ny fanaovana foto-drafitrasa hamahana ny olan'ny famatsian-drano eto Antananarivo toy ny fanitarana ny tobim-pamokaran-drano ao Mandroseza sy ny fametrahana "Unité de Traitement Conteneurisée" amin'ny toerana valo manodidina an'Antananarivo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT